Kalanoro Project : Mifandray sy miserasera ary miara-miasa amin’ny rehetra ny Ecovision Village
Maro no liana, betsaka no mitsinjo ny tontolo iaianana toy ny ataon’ny Ecovision Village. Ny tao-trano tsy efan’ny irery ka rariny raha misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny karazan’olona rehetra ny fikambanana. Mandray ny fanampiana amin’ny lafiny rehetra izy ireo hahafahana manatratra ny tanjona. Misy ireo te hanampy ara-bola, ara-pitaovana, ara-pahaizana amin’ny fotoana rehetra.
Nosokajiana ho fomba maro ny hahafahana manampy ny fikambanana araka izany. Azo atao ny miditra ho mpikambana amin’ny alalan’ny fandoavana latsak’emboka isan-taona : 500 000ar raha olon-tsotra, 1 000 000ar raha olona miverina matetika, ary 2 000 000ar raha olona mpanao asa soa. Manerana izao tontolo izao no andrandraina hitondra fanampiana ho fiaraovana ny ala sy ireo zava-manan’aina ao anatin’ity site « Kalanoro » ity. Miantraika amin’ny mponina rehetra manerana izao tontolo izao ny fanarenana ny tontolo iainana amin’ny fgaritra iray simba.
Manana zo ny olona tsirairay hiaina anaty tontolo madio sy milamina ka mahasalama, manoloana izany anefa dia manana anjara andraikitra ihazny koa ny tsirairay hiaro sy hitandro izany tontolo iainana izany izay hanaovan’ny ecovision village antso avo amin’ny tsirairay.
Miora Raharisolo
