Kalanoro Project : Fomba fiasan’ny Ecovision Village
Maro ny tanàna manamorona ny site kalanoro, misy mponina miaina sy mivelona ao anatin’izany. Anisan’ny tanjona napetraky ny Eecovision Village ihany koa ny hampiakatra ny farai-piainan’ireo mponina ireo ka ao anatin’izany dia nametraka fomba fiasa hampandraisana andraikitra sy hanomezana asa ireo mponina ireo. Antony iray nanaovana izany ihany koa ny mba hampiala azy ireo amin’ny fiankinan-doha amin’ny ala sy ny fanimbana ny ala.
Omena andraikitra ireo mponina ao an-toerana ary ampahalalana azy ireo fa manana anjara amin’ny fiarovana ny manodidina azy ireo ary tombony ho azy ireo ihany izany rehetra izany. Manampy izany ihany koa ny fampianarana ny tokantrano tsirairay hanana asa mampidibola hialana amin’ny asa ala ary ny farany dia ny fanorenana tanàna ekolojika. Ireo no fomba entin’ny ecovision miady manatratra ny tanjona ao anatin’ny « Site Kalanoro ».
Mahazo tombony amin’ity tetik’asa ity ny kaominina Andasibe indrindra fa ireo faritra rehetra manodidina ny « Site Kalanoro », mizara amin’ireto tanàna fito ireto izany: Andasifahatelo, Falierana, Andrafia, Andasifahadim, Ampasimadinika, Ambodihasina, Andity. Misokajy ho olondehibe mihoatra ny 18 taona 55 isa izany ary zaza sy zatovo 500 isa.
Sehatra iray hahafahana manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy ny fiarovana ny tontolo iainana izay iandraiketan’ny « Ecovision Village ».
Miora Raharisolo
