ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Mitady ho lany tamingana ny varika

Anisan’ny zava-manan’aina mahasarika mpizaha tany izay tsy misy afatsy eto Madagasikara irery ihany ny varika ary hananantsika karazany maro izany. Any Menabe Antimena no tena ahitana azy ireny saingy ankehitriny dia misedra olana goavana ireto biby ireto. Nandritra ny taona maro dia nihazakazaka ny fahapotehan’ny alan’i Menabe Antimena ary anisan’ny marefo ity karazam-barika ity. Iarahan’ny rehetra mahita tokoa fa maro be ireo tsindry mahazo ny faritra arovana Menabe Antimena ka anisan’ny goavana indrindra amin’izany ny fidiran’ny olona ao anatiny, mamboly sy mandoro ala ary manao arina fandrehatra. Ahiana ho lany tamingana sy hanjavona vokatr’izany ny 90 isan-jaton’ireto biby arovana ireto.

« Iray amin’ireo mitondra faisana ny tsitsidy izay “primates” kely indrindra eto ambonin’ny tany. Mahasarika mpizahatany maro. Mbola tsy misy beazina any anaty toerana mihidy izy ireo hatreto ka raha manjavona dia tsy ho hita intsony mihitsy », hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy. Mila hamboarina ny lafiny fitantana ireny toerana hahatafita ny fanabeazana ny tsirairay amin’ny fiarovana azy sy hampahomby ny asa. Hoy indrindra i Marc mahakasika izany : « tokony hovaina ho tantanan’ny sehatra tsy miankina itony toerana itony satria izy ireo mitady tombony ho azy dia tsy maintsy voakolokolo ilay izy far aha mpiasam-panjakana, efa ohatran’izany hatrany na aiza na aiza misy mpiasam-panjakana dia manao tsirambina foana ».

Maro ny vahaolana izay efa haroson’ireo olompirenena tsirairay sy ireo ao anatin’ny firaisamonim-pirenena amin’ny fomba sy ny ketrika hiarovana ny tontolo iainana. Mbola maro ihany anefa ny lesoka, asa nan oho tsy fihainoana na ny tsy firarahiana ve sa noho ny fihainoanan ny hevitr’olom-bitsy irery ihany ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire