Toliara : Jiolahy sy mpanendaka 10 no tratra
dépêche 20 septembre, 13h, Saika manerana an’ny Madagasikara iray manontolo dia ahitana ity tranga na fandendahana sy fangalarana ity avokoa. Jiolahy sy mpanendaka miisa 10 indray no tratra tao Toliara nandritra ny roa andro. Miaraka amin’ny fitaovana hatrany moa ireto olon-dratsy ireto manao ny asany ka ny antsy no tena entin’izy ireo amin’izany. Ilaina fahamailoana hatrany ny fivoahana ny trano.
