ActualitésTsidika

Torohevitra : Fanalana taolan-trondro mibahana ao amin’ny tenda

Laoka maro mpitia raha ny trondro, maro ny karazany, ary maro ihany koa ny fomba hahafahana mikarakara azy, etsy ankilany anefa dia misy betsaka ihany koa ireo tsy tia na tsy mahasahy mihinana azy ireny noho ny tahotra sao ho kenda. Ireto ary misy torohevitra maromaro hanalana ireny taolana mibahana ao amin’ny tenda ireny raha sendra izany, izay marihina fa misafidy izay hitan’ny tsirairay fa mety aminy.

Rehefa kendan’ny taolan-trondro dia mihinana tapaka mofo dipaina maromaro avy nalona tao anaty rano matimaty avy hatrany. Marihina fa afaka fotoana fohy dia miala avy hatrany ilay taolana nibahana teo.

Misotro rano matimaty iray vera nafangaro vovon-tsira maromaro. Marihina fa lasa nanjavona tampoka ny taolana nisakana teo.

Mazoto mitelina akondro masaka efa voatetika madinika avy hatrany. Marihina fa tsy maintsy afaka avy eo ny taolam-pilao teo.

Misotro vinaigre fotsy na mena kely fotsiny. Marihina fa afaka fotoana fohy dia manjavona avy hatrany ny taolana nisakana teo.

Torohevitra ihany ireo fa tsy voateryharahina, anjaran’ny tsirairay ny mijery izay mety aminy ary ny tena zava-dehibe dia ny fanatonana toeram-pitsaboanan rehefa misy ny marary na ny manahirana.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire