ActualitésTatitra

Maurice : Matoky ny fahatratrana ny isan’ny mpizahan-tany ho iray tapitrisa ny praiminisitra

Tsy i Steven Obeegadoo ihany no matoky tena fa ny praiministra Pravind Jugnauth ihany koa. Nanditra ny fankalazana ny faha-75 taona nanamarihana ny fifandraisana ara-diplomatikan’i Maurice sy Inde ny talata teo dia naneho ny fahatokisany ny fahatrarana ny isan’ny mpizahan-tany ao Maurice haherin’ny iray tapitrisa izy ho amin’ity taona 2022 ity.

Niresaka naharitra momba ny fifandraisana ara-diplomatika misy eo amin’i Maurice sy Inde i Pravind Jugnauth talohan’ny nanantitranterany fa Maurice no firenena voalohany aty Afrique nanao sonia fifanarahana CEPCA voalohany tamin’ny Grande Péninsule. Porofo izany hoy izy fa misy fifandraisana akaiky eo aminy sy Narendra Modi. Nanamafy ny tenany fa tokony ahatratra 280 000 tapitrisa Roupie  ny vola miditra ao Maurice avy amin’ny fizahan-tany ho amin’ity taona ity.

Laisser un commentaire