Etats-Unis : Fotoana nanan-tantara ny « Tyson contre Holyfied » tamin’ny taona 1997
Fifandonan’ny mpanao ady totohondry matihaninana Mike Tyson sy Evander Holyfield ny « Tyson contre Holyfied ». Notontosaina indroa izy io, ny 9 novambra 1996 sy ny 28 jona 1997. Notanterahina tao amin’ny MGM Grand tao Las Vegas avokoa ireo fifandonana ireo.
Fotoana nanan-tantara teo amin’ny ady totohondry io fifandonan’i Mike Tyson sy Evander Holyfield io. Raha tsiahivina dia nokakerin’ity farany ny sofin’ny Evander Holyfield havanana teo amin’ny fiodinana fahatelo rehefa namely azy mafy i Evander Holyfield ka tsy afa-nanohitra izy. Hitan’ireo tompon’andraikitra tao Las Vegas nefa fa nafana ny fifaninana ka tsy nofaranan’izy ireo tamin’ny DQ (disqualification) ny fifanandrenana. Nahena isa kosa nefa ny isan’i Mike Tyson.
Nokaikerin’i Mike Tyson indray nefa ny sofin’i Evander Holyfield havia ka nanapa-pekitra ny tompon’andraikitra fa hatsahatra ny fifaninana ary nivoaka mpandresy i Evander Holyfield.
