Fanatanjahan-tena : Lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea sy Seychelles
12 Septembre, 13h45, Atao eto Madagasikara avokoa ny lalao mandroso sy miverina ho an’ny fifanintsanana amin’ny lalao CAN U23. Ny anton’izany dia ny tsy fananan’ny Seychelles kianja manaraka ny fenitra. Ny 24 septambra izao ny lalao mandroso ary ny 27 septambra kosa ny lalao miverina izay samy ao amin’ny kianja Mahamasina avokoa.
