ActualitésTsidika

Oniversiten’i Toamasina : Ny « salon de l’étudiant » andiany voalohany

Andiany voalohany ho an’ny Oniveriiten’ny Toamasina ity ho tanterahina ity. Ny hetsika « salon de l’étudiant », izay hanoroana sy hanampiana ireo mpianatra ny lalam-piofanana tiany arahina. Ireo vao nahazo baccalauréat teo no tena andrasana hanatrika izany saingy mandray ny olona sy ny mpianatra rehetra ka maniry ny hiditra ao amin’ny Oniversiten’ny Toamasina. Roa andro no hanatanterahana ny hetsika, ka ny 15 sy 16 septambra izany, izay atao ao amin’ny faritry ny oniversite ihany. Hisy famelabelaran-kevitra hanoroana ny fisafidianana ny sampam-pianarana ho atao ny andro voalohany amin’io hetsika io.

Fiaraha-miasa tamin’ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF) no niteraka ity hetsika ity na dia efa teo aza ny fanirian’ny mpianatra zokiny rehetra hanampy sy hanoro lalana ireo zandry vao nahazo ny mari-pahaizana baccalauréat. « Mbola hitohy ny hetsika fa tsy hijanona amin’ity andiany voalohany ity ihany satria ny mpianatra rehetra no mila mahafantatra dieny mialoha ny sampana tokony hidirany sy izay mety miandry azy ao ». Hoy ity mpanabe iray ao amin’ny Oniversite. « Efa niandry ity hetsika ity mihitsy aho fa vao nahazo bacc teo ka mbola tsy mahafantatra ny tena ho ataoko ». Hoy kosa i Patrick, mpianatra vao nahazo ny mari-pahaizana baccalauréat ny taona 2022 teo.

Saika manerana ny oniversite rehetra dia efa misy ny « salon de l’étudiant » tahaka izao fa sambany kosa ity tao Toamasina ity, ka hirariana ny hitohizany, mba ahafahan’ny tanoran’i Toamasina rehetra misitraka izany ho amin’ny ho avy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire