ActualitésTatitra

Etats-Unis : « Grand maître international » tanora indrindra i Abhimanyu Mishra

Teraka ny 5 febroary 2009 tao New Jersey i Abhimanyu Mishra. Mpilalao sangany amin’ny « jeu d’échecs » izy, ary « Grand maître international » tanora indrindra nanomboka ny 30 jona 2021, teo amin’ny faha 12 taonany. Nihoarany ilay mpilalao sangany Sergey Karjakin izay nitana io anaram-boninahitra GMI tanora indrindra io hatramin’ny taona 2002.

« Record » maro no nihoaran’i Abhimanyu Mishra. Anisan’izany ny nahazoany isa USCF 2000 teo amin’ny faha 7 taonany tao Etats-unis, ny fahazoana isa USCF 2200 teo amin’ny faha 9 taonany ary ny naha « Jeune maître international » azy tanora indrindra tamin’ny taona 2019 teo amin’ny faha 10 taonany.

Laisser un commentaire