ActualitésTsidika

Kolontsaina : Mankalaza ny faha 70 taonany ny Havatsa-Upem

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-fitopolo taona niorenany ny fikambanana Havatsa-Upem amin’ity taona ity. Ny Havatsa-Upem dia fikambanana mpanoratra sy poeta Malagasy. Ny Upem aza dia avy amin’ny teny frantsay hoe: Union des Poètes et Ecrivains Malgaches. Maro ny hetsika nokarakaraina hankalazaina izany fotoana lehibe izany anisan’izany ny fanandratana sy fampahafantarana ireo mpanoratra sy poeta vaovao vao misandratra.

Niorina tamin’ny 6 septambra ny Havatsa-Upem ka mpanoratra sy poeta ary mpanao gazety miisa 15 mirahalahy no nanangana izany. Isan’izany i Régis Rajemisa Raolison, Dox, Elie Charles Abraham… Ny tanjon’ny fikambanana dia ny fanandratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny Haisoratra, fiarovana ny maha Malagasy, fanandratana ny kolontsaina izay mampanankarena antsika. Manana toerana lehibe eo amin’ny fanandratana ny Teny sy ny Haisoratra Malagasy izy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire