Sabotsy Namehana : Miditra amin’ny fahavalon’andro amin’ny « Tournoi Voasarin’i Namehana »
Miditra amin’ny andro faha valo amin’ilay tournoi voasarin’i Namehana amin’izao ny ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Adim-baolina goavana hifandoan’ireo klioba sy ekipa fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra eto amin’ny faritanin’Analamanga no hiseho ny alahady 11 septambra ho avy izao mandritra izany.
« Amin’ny 9ora sy sasany maraina dia efa hanomboka ny fifandonana eo amin’ny lalao baolina kitra izay hifanetrahan’ny LMAN Foot avy ao Ankadikely Ilafy sy ny fokontany Botona. Hilalao hifandimby eo avy eo ny FC Queen Morarano sy ny UFA Atsinanantsena, ny tapakandro hariva kosa ny SabNam sy ny Ajesaia Itaosy. Atao eo amin’ny kianja Herisetra Rafanodina Sabotsy Namehana avokoa ireo, ary efa vonona ny mpilalao sy ny mpikarakara ny tournoi » hoy ny mpikarakara ity tournoi ity.
« Mandona daholo ireo klioba ireo, ary anisan’ny mendrika ny fifaninana avokoa. Ho hitantsika eo tokoa moa ny vokatra amin’ny alahady fa izahay mpankafia baolina vonona hanohana hatrany » hoy i Fetra, mpankafia baolina kitra
Manome sehatra ny tanora tokoa ny fikarakarana fifaninana tahaka izao ataon’ny kaominina izao, indrindra amin’ny lafin’ny fanatanjahantena. Fanampiana sy fanohanana izany tokoa no anisan’ny miady amin’ny tsy fandraim-pahalemana sy ny fandaniam-potoana amin’ny firobohana anaty zava-mahadomelina.
Manitra Ramanantsoa
