Tatitra

Etats-Unis : Tsy azon’i Tiger Woods antoka ny fahafahany milalao amin’ny Masters.

Nanambara i Tiger Woods fa tsy mbola afaka ny hilalao ny tenany mandritra ny Masters amin’ny volana aprily ho avy izao, izay hotanterahina any Augusta, any amin’ny Etat de Géorgie, Etats-Unis. Nandritra ny Genesis Invitational, fifaninana hiantohany no nanaovany ny fanambarana ny alahady 21 febroary. Izay indray izy vao niseho vahoaka taorian’ny nandidina azy fan-diminy tao amin’ny lamosina. Efa nandresy fifaninanana golf PGA miisa 82 i Tiger Woods. Mitovy laharana amin’I Sam Snead, anisan’ny igoizana amin’ny sehatry ny Golf. Nanazava izy fa mbola miankina amin’ny fahasalamany ny handraisany anjara na tsia amin’ny fifaninanana amin’ny vola aprily ho avy izao. Tsy mbola naminavina ny fiverenany eo amin’ny sehatry ny golf ihany koa ny tenany. Taorian’ny lalao nataon’ny niaraka tamin’ny zanany Charlie, ny volana desambra 2020 no nisehoan’ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lamosiny ka tsy maintsy nodidina indray. Nanamafy izy fa mbola mila hifampiresahany amin’ny mpitsabo azy ny fiverenany milalao indray. Anisan’ny fady an’i Tiger Woods amin’izao fotoana ny miondrika be loatra, hoy izy.

Laisser un commentaire