Sabotsy Namehana : Mampitairana ny mpandeha ny ataon’ny fiara fitateram-bahoaka
Tsy vao voalohany izao no nanao antso avo tamin’ny tomponan’andraikitra misahana ny zotra H ireo mpandeha ao amin’ny kaominina Sabotsy namehana. Tsy vitan’ny manary an-dalana ireo fiara mpitatitra fa mbola miodina sy tsy manaja ny fiantsonana ka mampimenomenona ireo mponina ao an-toerana.
« Rehefa asabotsy, andron’ny tsena, no tena matetika hanaovan’ireo taxi-be ireo ny toetrany. Eny amin’ny tsy tokony hanalana izy ireo no mampidina mpandeha, ny mpandeha anefa ampandoaviny saran-dalana feno. Ny zavatra niainana sy hita ihany koa avy manary anay mpandeha ireo zotra H ireo dia mandray olona vaovao eo amin’ny arrêt manaraka ihany” hoy i Meltine mpandeha, mponina sabotsy namehana. « Ny olan’ny fitateram-bahoaka ity dia efa tsy vaovao ary saika ahitana azy io avokoa ny kaoperativa rehetra. Manomboka any amin’ny lafin’ny fitsipika mifehy ny zotra io, ny tsy fanajana ny “cahier de charge” mangony fotsiny ho an’ny zotra sasany ka mahatonga ny gaboraraka, eo ihany koa ny fanomezana kolikoly ireo polisin-dalana, izay olana sedrain’ny fiara fitateram-bahoaka avoka, izay tokony ho vahana satria ireo mpanjifa no mijaly manoloana izany » hoy ny tomponandraikitra amin’ny zotra H.
Miantso ny tomponandraikitra araka izany ireo vahoaka, mba hampifanaraka ny tolotra ny tinady omen’ny mpitatitra sy ny mpandeha eo anetrahan’ny fiakaran’ny saran-dalana sy ny fifampitsinjovana. Tsara ihany koa raha mampiditra zotra vaovao mba hisian’ny fifaninana eo amin’ny mpitatitra.
Manitra Ramanantsoa
