ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ronda Rousey, vehivavy mpikatroka MMA

Teraka ny 1 febroary 1987 tao Riverside, Californie i Ronda Rousey. Mpikatroka MMA ny tenany, mpanao « catch » ary mpilalao sarimihetsika. Miasa ho an’ny « World Wrestling Entertainment » ny izy amin’izao fotoana ao amin’ny sokajy « SmackDown ».

Nanomboka tamin’ny « judoka » i Ronda Rousey ary nahazo medaly volafotsy tamin’izany taranjany izany nandritra ny fiadiana ho tompondaka tamin’ny taona 2007. Nahazo ny medaly varahina ihany koa izy nandritra ny lalao olympika tao Pékin ny taona 2008 teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg.

Nikatroka tao amin’ny UFC i Ronda Rousey taorian’izany tao amin’ny sokajin-danja « poids coq » (eo anelanelan’ny 52,163 sy 53,525 kg). Tompondakan’izany sokajiny izany izy ny taona 2012 hatramin’ny taona 2015. Nahazo fandresena 12 tao amin’ny UFC izy talohan’ny nanaovany sonia tamin’ny WWE tamin’ny taona 2018.

Laisser un commentaire