Antananarivo : Hisy fahatapahana ny herinaratra androany alatsiny 05 septambra
Hisy fahatapahan’ny herinaratra mifandimby mamatsy an’Antananarivo androany. Ny fanamboarana ao Andekaleka no anton’izany hoy ny Jirama. Ezahina ho vitaina faran’izany haingana ny fanamboarana mba hahafahana mamerina haingana ny herinaratra eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo hoy ihany izy ireo.
