Ambohimangakely : Hikatona ny sampan-draharaha mikasika ny « état civil » sy ny « légalisation » ny alarobia 31 aogositra sy ny zoma 02 septambra
Hisy ny fikatonana ny sampana miandraikitra ny « état civil » sy ny « légalisation » ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny 31 aogositra sy ny 02 septembre 2022. Mampilaza ireo rehetra manan-draharaha atao eny anivon’ny kaominina mahakasika ny « état civil sy ny légalisation » ireo tompon’andraikitra noho izany.
Noho ny fiofanana izay atao any amin’ny INDDL moa no anton’izany fikantonana izany hoy hatrany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Atao izany fiofanana izany hentina hanatsarana ireo fomba fiasa sy ireo rehetra mila sy tokony havaozina eny anivon’ny kaominina.
#sary fanehoana
Famenontsoa Rajerison
