ActualitésTsidika

Kolontsaina : Manana karazana kolontsaina raha ny faritra Matsiatra Ambony

Voasokajy ho an’ny sompitra manankarena kolontsaina mampiavaka azy raha ny faritra Matsiatra Ambony. Anisan’ny kolontsaina tsy dia resahana matetika kanefa dia mampiavaka io faritra io, indrindra ny amin’iny distrika tapany atsimon’ny Nosy iny, ny kolontsaina antsoina hoe « Kidiry » sy ny « Tokolava ».

Ny Kidiry dia miendrika fetim-pianakaviana na ilay antsoina hoe « Lagnonana » firavoravoana irony ka hanatanterahana ny teny nomena na vava natao rehefa misy ny zava-tsoa azo teo amin’ny fiainana (Fahasitranana aretina, Fahavitàna trano, Fahombiazana teo amin’ny fianana amin’ny ankapobeny…)

Anisan’ny mampiavaka ny faritra Ambalavao mandritra ny fety ny hetsika ara-kolontsaina toy ny Sokela, ny tolon’omby na ny savika, ny toto vary tsatsatse izay ahitana ny vary velona sy ny vary fotsy, ny dihy kidodo, fa indrindra ny von’omby izay fototra hiankinan’ny fanomezan-tso-drano ataon’ireo Raiamandreny zokiolona.

Mifameno amin’izay indrindra ilay Tokolava. Mandritra ny lanonana izay atao izay ravahan’ny fampiasana ireo mozika nentim-paharazana, mifameno amin’izany ny mozika moderina anatin’ny ali-pandihizana ataon’ny fianakavina.

Mandritra izany no misy ireo antsoina hoe Ampelamahery izay  manomana ny fikarakarana ny sakafo sy manome ny sakafo ny olona tonga rehetra manotrona ny fety atao amin’ny alalan’ny fandrahoan-tsakafo antandahatra antsoina hoe « Tokolava » ka ny anjaran’ireo Lehilahimahery kosa no mikarakara ny kitay hanamasahana ny sakafo.

Mbola ankalazaina amin’izao fotoana izao ireo fomba ireo, ary nohezahina omena lanja tokoa mba hanomezana toerana ny kolontsaina, indrindra fa ny mampiavaka ny isam-paritra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire