Social

Manatsara ny tontolo iainana ny fampivoaranana ny toerana fambolen-kazo.

Mampilamina ny saina ny fahitan’ny maso ny fahatsaran’ny tontolo iainana. Mitondra fahasalamana ho an’ny vatana sy fahafinaretana ho an’ny maso ny fitsidihana ireny toerana mbola maintso ireny. Ny olana anefa, tsy manisy hasiny ny tontolo iainana intsony ny ankamaroan-tsika. Lasa fahazarana ho an’ny olona sasany ohatra ny mikapa hazo, ny mandoro tanety, ny mandoto ireny karazana ala ireny. Tsy mitsahatra ny mamboly hazo kosa anefa ireo fikambanana sy orinasa samihafa ho fametrahana indray an’i Madagasikara ho maintso indray. Mbola sarotra tanterahina anefa izany raha tsy ny tsirairay no tonga saina amin’ny fampihatohana amin’ny fanimbana ny ala. Vahaolana hitan’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fikambanana eo amin’ny fampandrosoana maharitra araka izany ny hamoronana toerana hiarovana natao hambolen-kazo. Ny alakamisy 18 febroary lasa teo, tany Antsirabe, tao amin’ny disitrikan’i Mandoto, ao ampotaka araka izany no toerana hanatanterahana ity tetik’asa ity. Hitondra ny anarana hoe “Parc Botanique Madagasikarantsika” ity toerana ity. Mirefy hatrany amin’ny 120 Ha izy ity, ary hambolena zanak’azo mitombo haingana. Entanina hatrany moa ny olom-pirenena tsy hanimba ireny satria antoka iray manatsara ny tontolo izy ireny.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire