ActualitésTsidika

Kolontsaina : Dihy nentin-drazana ny « dihimboay »

Ny dihimboay dia dihy nentin-drazana Malagasy. Ny foko Sakalava no tena mpandihy ny dihimboay, ary ny lehilahy no tena manao azy.

Mandady amin’ny tany toy ny voay, ary mirakotra lambaoany ny mpandihy. Ny tanana mamikitra amin’ny tany sady mifindrafindra ary miakatrakatra ny loha amin’izany.

Anehoana ny tanjaka eo amin’ny olombelona manoloana ny zavaboahary ny dihimboay, ary fanao amin’ny lanonana maro isan-karazany, azo hanataterahana azy avokoa toy ny amin’ny fanandratana mpanjaka, fanamadiana, sy ny sisa.

Ny angorodao no zavamaneno ampiasina amin’ny dihimboay.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire