Tatitra

Niger : Latsaky ny 30% ny tahan’ny fahaiza-manoratra sy mamaky teny.

Akoatran’ny tsy fandrim-pahalemana sy ny fisitrahana rano madio any Niger, hita ihany koa fa latsakin’ny 30 % ny tahan’ny olona mahay mamaky teny sy manoratra any an-toerana. Tsy zarizary ny fampianarana any satria betsaka ny olana sedrain’ny fampianarana. Toy ny tsy fahampian’ny fitaovana, habetsaky ny ankizy iray fianarana izay mahatratra ny 120, tsy fahandoavana ara-dalàna ny karaman’ny mpampianatra sy ny tsy fahampian’ny traikefan’izy ireo. Manao antso avo amin’izay mpitondra ho lany araka izany ny sendikan’ny mpampianatra any Niger ny mba hijerena akaiky ny fampianarana. Lazaina ombieny ombieny manko fa hoavin’ny firenena ny zaza kanefa izao ny olana mianjady aminy sady tsy betsaka izy ireo ankizy no afaka miditra an-dakilasy.

Laisser un commentaire