ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Toerana mamokatra divay tena tsara i Paarl Valley

Ny lohasan’ny Paarl dia iray amin’ireo mpifaninana amin’ny distrika mifanila aminy, dia tsy iza fa i Stellenbosch. Mamokatra divay tena tsara kalitao misarika olona ern’izao tontolo izao io toerana io. Ao avaratr’i Stellenbosch, any amin’ny 60 kilometatry ny tanàn’ny Cap no misy ny distrikan’i Paarl. Mafana kokoa noho i Stellenbosch izy ary faritany be tendrombohitra.

Azo hamokarana divay maro samihafa i Paarl noho ny fitoerany ambony sy ny toetry ny andro ao aminy. Ao amin’ny ilany avaratry ny tendrombohitr’i Simonsberg, ny tehezan-tendrombohitry ny Mont Pearl ary ny  lohasahan’ny reniranon’i Berg kosa no tena ahitana ireo saham-boaloboka ao an-toerana izay tsara kalitao.

Faritra telo kosa no tena mamokatra divay ao an-toerana : Wellington, Simonsberg-Paarl ary Franschhoek.

Laisser un commentaire