Australie : Ny siphonophore géant no biby lava indrindra eran-tany
Mahatratra 45m ny halavan’ny « siphonophore géant ». Karazana biby iray lehibe hita sy miaina any anaty ranomasina any izy. Tafiditra ao anatin’ilay karazana « sinophonophores » na ireny antsoina amin’ny teny vahiny hoe « méduse » ireny ary manana anarana siantifika « praya dubia ». Ao anatin’ny sokajy « invertébrés » no misy ao.
Afaka ahitana azy ao amin’ny ranomasina Atlantika, Indiana ary Pasifika. Any amin’ny 700 ka hatramin’ny 1 000 metatra any ambany ranomasina any no ahitana azy. Ity karazam-biby ity dia zava-manan’aina mivelona amin’ny vondrona izany hoe mitambatambatra amin’ny alalan’ny « stolon » ka amin’ny alalan’ity farany no ihinany, ihazany, iarovany ny tenany ary indrindra ihanahany. Mahatratra hatrany amin’ny 50 metatra ny havany amin’izany.
Malamalama ny hoditr’ity biby ity, ary mahazaka mivelona hatrany amin’ny faran’ny ambanin’ny ranomasina any ary mamorona hazavana amin’ny tenany, entiny hamandrihana ireo karan’hazandrano sakafony toy ny trondro madinika, ny olatra ary ireo biby kely any anaty ranomasina.
