ActualitésTsidika

Antananarivo : Hanao fitokonana faobe ireo mpitondra taxi

Hanao fitokonana faobe ireo mpitondra taxi eto Antananarivo ny 30 aogositra ho avy izao. Marihina moa fa efa nisy ihany koa ny fitokonana teo amin’ny taxi moto, ary efa nisy fotoana ihany koa nanao fitokonana toy izao ireto mpitondra taxi ireto.

Hanao izany hetsika izany izy moa izy ireo ho fanehoan’ny fa tsy manaiky ary mitsipaka tanteraka ny famerenana ny ho fandinihina indray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fampidirana hiasa ireo taxi moto eto an-drenivohitra izy ireo. Rehefa avy niray hina nanao fangatahan-dalàna hahazo alalana sy hahazo taratasy ahafahana mahazo alàlana ireo taxi moto dia nijoro niray hina ihany koa ireo mpitondra taxi fa mitsipaka tanteraka izany.

Miezaka mitady vahaolana hatrany moa ireo tompon’andraikitra ny amin’ny fanampahan-kevitra tokony ho raisina manoloana izany.

#sary fanehoana

Famenontsoa Rajerison 

Laisser un commentaire