ActualitésTatitra

Equateur : Cotopaxi, volkano avo indrindra ao an-toerana

Ny Cotopaxi dia volkano ao atsimon’i Quito ao Equateur izay mahatratra 5 897 metatra. Izy io no volkano mbola mihetsika avo indrindra ao amin’ny firenena. Midika hoe « Tendan’ny Volana » ny anaran’ny volkano Cotopaxi amin’ny teny Cayapa. Antony ny tendron’io volkano io miloko fotsy toin’ny nandalovan’ny volana. Midika hoe « mpanjakan’ny fahafatesana » kosa nefa izany amin’ny teny avy any Caribes.

Miendrika telozoro mirafitra tsara ny Cotopaxi, mirefy 550 ka hatramin’ny 800 metatra eo ny savaivony. Tamin’ny taona 1877 no fipoahana goavana indrindran’ny Cotopaxi. Tanàna sy lohasaha maro no rava tamin’izany. Voaaro ao amin’ny valan-javaboarin’ny Cotopaxi kosa io volkano io.

Laisser un commentaire