Fitsirihana manohitra ny halatra sy hosoka
02 Febroary 2026 – JIRAMA
Manomboka androany 02 febroary, dia hidina ifotony hanao fitsirihana any amin’ireo toerana ahiahiana ho nisy halatra sy hosoka amin’ny fampidirana jiro sy/na rano ny JIRAMA.
Ireo mpiasan’ny JIRAMA hanatanteraka izany fitsirihana izany dia hitondra badge sy ordre de mission, ary koa ireo antontan-taratasy rehetra ilaina hanangonana sy hanoratana ny tatitra momba ny fandikan-dalàna mety ho hita.
Nambaran’ny JIRAMA fa ho raisina fepetra ara-dalàna avokoa ireo olona tratra nanao fandikan-dalàna, araka ny lalàna manan-kery.