Etats-Unis : Maurice Greene, atleta voalohany nidina ambanin’ny 9″80
Teraka ny 23 jolay 1974 tao Kansas City i Maurice Greene. Atileta ao Amérique havanana amin’ny « Sprint » ny tenany.
I Maurice Greene no atleta voalohany naharesy tamin’ny 100 sy 200 metatra nandritra ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny atletisma tao Séville tamin’ny taona 1999. Mpandresy ny lalao olympika taona 2000 ihany koa ny tenany.
Tao anatin’ny enin-taona dia notananan’i Maurice Greene ny « record du monde » ny 100 metatra nanomboka ny 16 jona 1999 tao Athènes tamin’ny fe-potoana 9s79. Izy ihany koa nitana ny « record du monde » ny 60 metatra tamin’ny fe-potoana 6s39 tamin’ny 3 febroary 1998. Ny volana febraory 2008 kosa izy no nisotro ronono rehefa sedra ratra noho ny fanazaran-tenany.
