ActualitésTatitra

Russie : « L’oiseau de feu » no « ballet » voalohany

Ny « L’oiseau de feu » dia « ballet » indroa miantaona ny araka ny anganom-pirenen’i Russie. I Igor Stravinsky no namorona ny mozikan’izany tany amin’ny taona 1909-1910 teo amban’ny baikon’i Serge de Diaghilev.

Ny 25 jona 1910 izy no nisehoan’ny « ballets russes » voalohany tao amin’ny Opéra an’i Paris. I Michel Fokine no namolavola ny « chorégraphie » tamin’izany teo ambany fitarihan’i Gabriel Pierné. Anisany namapalaza io « ballet » io vetivety io seho voalohany io. Manoloana izany dia nanavao matetika ny baikony tamin’i Stravinsky i Diaghilev hatramin’ny taona 1928.

Ny « ballet » nanarakaraka io « L’oiseau de feu » io kosa dia ny « Petrouchka » tamin’ny taona 1911 sy ny « Le Sacre du printemps » tamin’ny taona 1913.

Laisser un commentaire