ActualitésTatitra

Asie : Manatsara ny fahasalamana ny « Clitoria ternatea »

 Ny « Clitoria ternatea » na « pois bleu » dia karazana zava-maniry ao amin’ny fianakavian’ny « Fabaceae ». Ao Asie tropicale sy équatoriale no tena misy azy fa nentina novolena tao Afrique, Australie ary Amérique ihany koa izy.

Manana ny toerany io zava-maniry eo ao amin’ny lisitry ny zava-maniry manitra sy fampiasana amin’ny fitsaboana. Misy ihany koa ny mihinana ny voninkazony ao Asie atsimo atsinanana. Manala rari-tsaina izy, « nootropique, anxiolytique, anticonvulsif, tranquillisant » ary « sédatif». Miady amin’ny mikroba sy ny homamiadana ihany koa izy ary mamaha ny olana ara-nofo, fadim-bola ary fiterahana.

Laisser un commentaire