Mayotte : Fiteny Malagasy ihany koa Shibushi
Fiteny ampiasaina ao Mayotte ny Shibushi na kibouchi na kibošy na malagasy. Fitenin-dreny faharoan’ny nosy izany aorian’ny Shimaoré. Manodidina ny 47 900 ny isan’ny mponina nampiasa azy tany amin’ny taona 2012.
Voasokajy ao anatin’ny fiteny malagasy io fiteny io izay ao anatin’ny vondron’ny « barito » ao amin’ny sampan’ny malayo-polynésienne fiteny austronésienne. Ny fiteny malagasy ampiasaina ao avaratra andrefan’i Madagasikara, ao Diego Suarez ary ao Majunga no tena manakaiky azy.
Ny teny malagasy ampiasian’ny mponina ao amin’ny tanana’i Bambo-Est, M’Bouini, Passi-Kéli, M’Ronabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Chiconi, Sohoa, M’Tsangamouji, M’liha, Acoua, Mtsangadoua, Hamjago, Dapani ary Mtsamoudou ao Mayotte dia ny fitenim-paritra Sakalava. Ny fitenim-paritra Antalaotsy kosa ho an’i Poroani sy Ouangani.
