Dépêches

Afrobasket U18:Tafiakatra amin’ny lalao manasa-dalana ny Ankoay Lahy sy Vavy

11 Aogositra, 14h00, Tsara ny vokatra nasehon’ireo ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy omaly nandritra ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taranaja basketball, latsaky ny 18 taona. Nandresy an’i Tanzania tamin’ny isa 61 no 58 ny ekipa malagasy vehivavy, lalao nifandonan’izy ireo tao amin’ny kianja Vatofotsy Antsirabe. Raha nandresy ny Ginea tamin’ny isa 59 no 47 kosa ny ekipa lehilahy

Ny ejipta no ifanandrina amin’ny ankoay vehivavy ho an’ny lalao manasa-dalana, izay atao anio alakamisy 11 aogositra, raha toa kosa ka ny Malia no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena lelhilahy ny zoma 12 aogositra.

Laisser un commentaire