Dépêches

Vakinakaratra : Dahalo iray maty, kapiteny iray naratra vokatry ny fifandonana

10 Aogositra, 06h00, Dahalo iray no maty, ary kapiteny iray no naratra voatifitry ny andian-dahalo nandritra ny fifandonana tao amin’ny kizon’i Mahajilo, fokontany Beombalahy, Morafeno, distrikan’ny Mandoto, faritra Vakinakaratra, ny faha 8 ny volana aogositra lasa teo. Naratra voatifitra ny kapiteny Rabemananjara Irinjaka, kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto, rehefa nanao hetsika sakana halatr’omby very avy any Tsiroanomandidy. Efa nisy ny vonjy aina natao, ary efa nahazo fitsaboana ao amin’ny hopitaly miaramila ao Soavinandrina ny tenany.

Laisser un commentaire