Analamahitsy : Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay mpangalatra
10 Aogositra, 05h02, Mpangalatra iray efa mpamerin-keloka no tratran’ny CSP8 Analamahitsy teo ampanovana ny asa ratsiny, omaly 09 aogositra. Teo ampangalarana kodiaran-droa no nahatratrana azy ary rehefa natao ny fisavana dia nahitana rongony sy basy kilalao ihany koa teny aminy, fitaovana entiny manao ny asa ratsiny. Araka ny vaovao dia efa mpamerin-keloka ary efa mpanao asa sy mampitondra faisana ny mponina manodidina an’Analamahitsy ity lehilahy ity.
