Colombie : Tafapetraka soa aman-tsara eo amin’ny fitondrana i Gustavo Petro
Ny alahady 07 aogositra teo no nanatontosana ampahibemaso ny fihanianana nataon’ny filoha vaovao tao Bogota, Colombia, Gustavo Petro. I Gustavo Petro izany no filoha vaovao mitondra an’i Colombie, avy ao amin’ilay rafitra an-kavia, ary anisan’ny tomponan’andraikitra mahefa ao anatin’izany izy taorian’i Ernesto Samper, tamin’ny taona 1994.
Talohan’ny nahafiloham-pirenena azy izao, dia ben’ny tananan’i Bogota ny tenany tamin’ny taona 2012 ka hatramin’ny 2015. Ankoatra izay, efa nirotsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izy ny 2018 saingy tsy lany saingy kosa lany ho senatera talohan’izao maha filoham-pirenena azy izao.
