ActualitésTatitra

Ukraine : 8 no maty, 4 no naratra teo amin’ny fiantsonan’ny fiara

Teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao Toretsk, atsinanan’i Ukraine, indray no kinendrin’i Russe ny 4 Aogositra 2022. Olona tsy manan-tsiny miisa 8 indray no namoy ny ainy ary 4 hafa no naratra nandritra izany. Telo tamin’ireo naratra no ankizy avokoa. “Tifitra teo amin’ny olona nitangorongorona teo amin’ny fiatsonan’ny fiara no nokendrena. Niisa 8 ireo naratra” hoy ny Governoran’ny faritra Dontesk, Paylo Kyrylenko. Efa nasain’ny filoha tao Ukraine niala ny toerana nisy azy avy ny mponina nanodidina ity fipoahana nataon’ny Rosianina ity. Tsy vitsy izao ireo nandao ny trano fonenany ao Ukraine amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire