Fiarovam-pirenena : Nifampidinika tamin’ny minisitra ny mpanolotsain’ny firenena mikambana
5 Aogositra, 12h 00 Nifampidinika tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena Rakotonirina Richard ny mpanolotsaina an’ny Firenena mikambana, Sabine Lauber omaly nandritra ny fitsidihany io tompon’andraikitra io.
Ny fomba hanamafisana ny traikefan’ny foloalindahy amin’ny fanajana ny zon’olombelona eo amin’ny fanatanterahana ny asany, ny fomba hanamafisana sy hanatevenana ny fahalalana momba ny zon’olombelona any amin’ireo sekoly fampiofanana ireo mpitandro filaminana ary ny finiavan’ny firenena mikambana hiara-hiasa amin’ny Madagasikara no anisany teboka nivoitra nandritra izany.
