ActualitésTsidika

VIH/SIDA : Manodidina ny 42 000 ny olona mitondra ny tsimok’aretina eto Madagasikara

Misy ary mbola mitoetra eto amintsika ny tsimokaretina VIH/SIDA. Manodidina ny 42 000 ireo mitondra ity aretina ity.

« 0,3% na 42 000 no isan’ny olona izay heverina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Mbola voasokajy ho isan’ny firenana manana taha ambany amin’ny olona mitondra io aretina vokatry ny firaisana ara-nofo io i Madagasikara, raha mitaha ny firenena Afrikanina izay ahitana taha maherin’ny 45% » hoy ny tonia mpanatanteraka ny ady amin’ny SIDA eto Madagasikara, Jasmine Rasoanarivo. « Ambony kosa ny taha raha eo amin’ny vondron’olona marefo. Isany amin’izany ny lehilahy miaraka amin’ny lehilahy izay mitotaly 15%, ny mpampanofa tena izay mahatratra 5% ary ny mpitsindrona zava-madomelina 7% » hoy hatrany izy.

Mbola sarotra ary tsy mbola misy fanafany ity areti-mandoza ity. Ny fitandremana ny vatana ihany no tena fanafodiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire