Brésil : Ny anaconda, bibilava lehibe indrindra
Karazana bibilava ao anaty fianakavian’ny « boidae » ny anaconda. Mizara karazana efatra hafa indray izany izay hita any anaty honahona sy reniranon’ny faritra mafana sy mandon’i Amérique du Sud ary any amin’ny honahona any atsimon’ny nosy Trinité.
Toerana mafana sy mandomando no tian’ny Eunectes hitoerana. Afaka mivelona ao anaty rano izy (semi-aquatique). Amin’ny lohany dia eo ambony no misy ny lavak’orony sy ny masony. Afaka ireo fotsiny no apiotrany rehefa ao anaty rano izy, fa ilay vatany lehibe dia alentiny ao anaty rano, ka izay no sarotra hamantarana ny fisiany. Tsy misy poizina izy, manana havokavoka roa, ary manapotsitra ny biby hoaniny no fombany, mba hahafaty io biby hoaniny io (constrictor).
Malaza ho mihinana olona ihany koa izy io, saingy amin’ny ankapobeny dia milefa izy rehefa misy olona. Mbola vitsy ny fahafatesan’olombelona voaporofo fa noho ny fanafihany. Ny jaguar, ny voay lehibe (caïman) ny anaconda hafa no manafika azy. Eo koa ny piranhas raha sendra maratra ilay bibilava.
Hasina Rasamimanana
