ActualitésTsidika

Fiompiana : Hisy ny fampiofanana maimaimpoana ao Ambohimangakely

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny orinasa Agrivet. Hisy ny fampiofanana maimaimpoana ny 05 aogositra izao ao amin’ny Promofem Antanambao Ambohimangakely mikasika ny fiompiana.

« Horesahina ao ny fomba fiompiana akoho fakana nofo, ny akoho manatody lava, ny akoho gasy ary ny kisoa. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny fiofanana » hoy ny avy ao amin’ny Agrivet. « Tsara raha misoratra anarana mialoha mba hahafahana mandrindra ny fotoana.

Tena ilaina tokoa ny mivelatra amin’ny sehatry ny fiompiana na vadin’asa aza » hoy hatrany izy ireo. Tsy misy sarany ity fiofanana ity. Ny hanampiana ny tantsaha ho lasa lavitra hatrany no tena tanjona. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire