Kianja Barea Mahamasina: vita ny fanamboarana ny “piste” ho an’ny taranja atletisma
02 Aogositra, 14 h00, Vita soa aman-tsara ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena farany napetraky ny Fivondronana Iraisam-pirenena ho an’ny Federasiona Atletisma ny piste d’athlétisme en tartan ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ny alatsinainy 01 ny volana aogositra teo ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponena no nanamarika izany tao an-toerana ary efa vonona amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena ny kianja.
