Tantara : Misy ny vaton’ny mpifankatia eny Ambohidratrimo
Ao Ambohidratrimo no vato misy lavaka voajanahary. Rehefa bevohoka i Rambolamasoandro dia naka vato kely fito Andrianampoinimerina. Nanankim-po tamin’Andriamanitra izy fa tsy maintsy hiteradahy raha mahatafiditra vato iray ao. Teradahy soamantsara izy (Radama I). Teo no nahatonga ilay fitenenana hoe « Ambohidratrimo no vaky setroka, Ambohimanga no mitoto-rebika ».
Maka vatokely fito ary hatsipy sady mangataka izay zavatra tiana ho azo. Raha tafiditra ny voalohany dia ho tsara ny fangatahanao. Raha ny faharoa dia tsy ho hisy hanakantsakana. Raha ny fahatelo dia aza malahelo. Raha ny fahaefatra dia ho tonga lafatra. Raha ny fahadimy dia manàna faharetana. Raha ny fahenina tsy hanenenana. Raha ny fahafito mivavaha mafy na mahanana finoana.
Rehefa mahatafiditra ao fotsiny, na iray aza, dia ho tanteraka ny zavatra nangatahina. Nefa kosa rehefa tanteraka izany dia mila manatitra voady na vola na zavatra mety daholo.
Nicole Rafalimananjara
