Tsidika

Fomba : Tsy kolontsaina Malagasy ny manao « donakely »

Tsy kolontsaina Malagasy ny mifampiarahaba amin’ny totohondry mifandona. Ny totohondry mantsy dia mariky ny ady ary ny totohondry roa mifandona dia midika fa miandoha ny ady.

Mbola maro ny ray aman-dreny Malagasy tsy mankasitraka ary tsy mety mifampiarahaba amin’ny totohondry mifandona. Raha ny tantara dia ireo tanora mpanao hira gadona an-dalambe, izay lazain’ny mpandinika fa gadonkiran’ny jiolahimboto, tany Etats-Unis, no voalohany nifampiarahaba tamin’ny fifandonan’ny totohondry. Ireo mpiangaly ny haiady koa rehefa eny ambony ringa dia mifandona totohondry ho marika fa manomboka ny ady.

Ankehitriny, efa zary fahazarana ho antsika indrindra taorian’ny valan’aretina covid-19 ny manao donakely.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire