CultureTsidika

Ihorombe : Nisy ny fanazavana mikasika ny jono sy fampamokarana ny atirano any Sakalaza

Nanazava ireo andinindininy mikasika ny lalana mifehy ny jono sy ny fampamokarana ny atirano ny DRPEB Ihorombe. Ny fampanarahan-dalàna no ialàna amin’ny gaboraraka.

« Mba hisian’ny fitrandrahana maharitra ny harena anaty rano no anton’ity hetsika ity. Ny tao amin’ny fokontany Salaza, Kaominina Ambanivohitra Mahasoa Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe no nisitraka izany » hoy avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny Jono Ihorombe. « Ny fanazavana sy fampianarana mahakasika ny lalàna mifehy ny jono sy ny fampamokarana ny atirano no natao. Nanoro ireo mponina ny fitaovana azo ampiasaina amin’ny fihazana trondro » hoy hatrany izy ireo.

Niaraka nanatontosa izany hetsika izany ny teknisianin’ny FIMPIFI sy ny filohan’ny FIMPADI (Fikambanan’ny Mpanarato ao amin’ny Distrikan’Ihosy).

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire