Dépêches

Fitsarana miaramila : Hifarana ny 31 jolay izao

28 Jolay, 15H00, Nanomboka ny 4 jolay ny fitsarana miaramila teny Betongolo. Hifarana ny alahady 31 jolay izao izany raha nambaran’ny tompon’andraikitra, ny jeneraly Rasolonirina. Hanomboka ny 22 aogositra kosa ny fitsarana miaramila manaraka. Efa misy tetiandro napetraka eny amin’ny kaominina, isaky ny faritra.

Tsiahivina fa 19 ka hatramin’ny 31 taona no afaka fitsarana miaramila. Tsy azo soloina ny karatra maitso raha misy ny fahaverezana. Azo atao kosa ny mamerina mitsara miaramila, ahafahana maka karatra maitso vaovao. Maimaimpoana ny fanaovana izany.

Laisser un commentaire