Ambohimanga Rova : Zazavavy dimy taona maty nisy nanolana
Zazavavy dimy taona no namoy ny ainy vokatry ny fanolanana nihatra taminy teny Soavinimerina Ambohimanga Rova. Tsy hita nanomboka ny Alahady 24 jolay izy. Teo an-tokotaniny izay mifefy tamboho no nahitana azy velona farany.
« Nifandrimbona nikaroka azy ny fokonolona sy ny zandary raha vao nilaza ny faverezany ny ray aman-dreniny. Ny ampitson’io vao hita vao fantatra ny nanjo azy » hoy ny mpiray tanàna aminy. « Vatana mangatsiaka nitsirara tao anaty kirihitr’ampanga sy radriaka izay 800 metatra miala ny trano no hita. Nofatorana lamba manify fandrakofana tongotra ny vatany. Nitanjaka tanteraka ny tapany ambany. Niharan’ny herisetra ara-nofo ilay zaza » hoy ny zandary.
Misokatra ny fanadihadihana mikasika ity teo-draharaha ity. Mila arahi-maso foana ny zaza, eny fa na milalao ao an-tokontany aza.
Nicole Rafalimananjara
