SocialTsidika

Alasora : Nisy ny adihevitra teo amin’ny fitaterana

Nisy ny fifampimpiresahana sy ady hevitra mikasika ny fitaterana tao Alasora. Napetraka ofisialy ireo saran-dalana izay nifanarahan’ny rehetra.

« Tapaka ho an’ny Zotra F fa ho atao 1 000 Ar ny saran-dalana eo amin’ny CNaPS makany Ambohimarina ary 700 Ar eo amin’ny CNaPS Alasora. 600 Ar avokoa ny tapa-dalana rehetra » hoy ny tompon’andraikitra ao ami’nny Zotra F. « Nisy ihany koa ny fiovana ho an’ny Zotra I (Socomatra) izay 1000 Ar eo Ambohijatovo makany Ambohitanety. 700 Ar kosa ny eo Ambohijatovo makany Alasora ary 600 Ariary ny ankoatr’izay. Tao kosa ireo Zotra tsy tonga tamin’ity fivoriana ity izay tsy mbola misy ny saran-dalana ofisialy » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora.

Marihina fa mbola hisy ny fivoriana iarahana amin’ny ATT, sy ny kaominina, ary ny mponina ao amin’ny Fokontany Miadana alohan’ny fidiran’ny mpianatra. Hisy mantsy ny famerenana ny zotra I makeny Ambohinonoka, sy ny fanamafisana ny zotra F amin’iny faritra iny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire