Asthme : Tsy mora ny zavatra atrehin’ireo olona « asthmatique »
Tsy vitsy tokoa ny olona manana arteina mora sempotra (asthme) eto amintsika. Izany indrindra aza no nitarika ny fahafatesan’i Loïc Rakotonirina, izay mpanakanto vao 30 taona monja. Nomen’ny mpitsabo fatoriana izy (sedation) rehefa hitany fa tena tao anaty tranga mampatahotra no nisy azy, io no antsoina hoe « crise d’asthme aigue grave ».
« Io krizy voalaza io dia mahafaty afaka ora vitsivitsy na afaka 48 ora. Nomena fampatoriana satria amin’izay mba hahazo aina kokoa ilay marary fa tsy hijaly be. Rehefa mangatsiaka toy izao mihitsy no tena mmapihetsika ny aretina. Ary rehefa manao io krizy io aza dia tena mijaly be ohatran’ny ho faty eo no eo, izay ilay antsoina hoe « sensation de mort imminente » hoy ny fanazavana nomen’ny Dr Lovatiana Lahaina, izay mpitsabo ao amin’ny Centre Hospitalier d’Arpajon (France). « Nanomboka teo Maevatanana i Rak’Roots no sempotra. Efa avy nandalo an’Ankazobe izay misy faritra tena mangatsiaka be. Tsy zakan’ny olona misy asthme izany ary tena mampihetsika ny krizy mihitsy. Teo ihany koa ny havizanana noho ny lalana izay nanampy trotraka ny fahasemporany » hoy hatrany ny fanazavany. Tsy mora tokoa ny mahazo ireo olona manana ity aretina ity. Mila tan-tsoroka sy fanohanana avy amintsika fianakaviana tokoa izy ireny.
Nicole Rafalimananjara
