Mampivoatra ny kalitao ny fifaninanana eo amin’ny tontolon’ny mozika.
Fanaon’ny onjam-peon’ny tanora na “RDJ” ny manolotra marim-pankasitrahana ho an’ireo mpanakanto mendrika indrindra isan-taona. Ahafantaran’ny maro azy ny anarana hoe RDJ Mozika. Amin’ny alalan’ny fifidiananana amin’ny someso sy ny ao amin’ny tranokalan’ny RDJ no hanatanterahana izany. Misy sokajy 24 no hisafidianana mandritra izany. Na teo aza ny antony samihafa toin’ny Covid-19, tsy nahasakana ny mpanakanto tsy hamorona izany ny sangan’asany izany. Vao maika aza niroborobo izany noho ny fisian’ny fihibohana. Amin’ny alahady ho avy izao no hanatanterahana indray ny lanonana hizarana marim-pakasitrahana ho an’ireo mpanakanto mendrika tamin’ny taona lasa. Ny mozika izay natao ho fampianarana sy fitantarana ny zava-misy iaianana andavan’andro.
Fanilo Rarivoarilala
