Fihogo : Ravaka eo amin’ny Betsileo sy ny Bara
Fitaovana misy kinifinifiny entina mandamaka ny volo ny fihogo. Raha vita amin’ny plastika ny ankahamaroan’izany amin’izao fotoana dia vita tamin’ny taolana na kanikanin-kena na hazo izany fahiny. Anisany tena nampiasa azy ho ravaka ny lehilahy Bara sy Betsileo. Ny lehilahy nanao izany teny amin’ny vola dia nampahafantatra fa nitady vady.
Mbola misy ireo lehilahy mitana io fanao io amin’izao fotooana eto Madagasikara.
Hasina Rasamimanana
