Anjerimanontolon’Antananarivo : Hanomboka ny volana oktobra ny fitsapam-pahaizana
Tontosaina ny 5, 6 ary 7 oktobra izao ny fitsapam-pahaizana hidirana taonavoalohany eny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo ho an’ny sampam-pianarana « Economie-Gestion-Sociologie ». Ny 30 septambra no mifarana ny fisoratana anarana ho an’ny rehetra ary ny 23 septambra kosa ho an’ireo izay mipetraka any amin’ny faritra.
Afaka misoratra anarana manao fitsapam-pahaizana avy hatrany ireo afaka bakalorea taona 2022 rehefa mivaly izany. Ny taratasy fampiatsoana (convocation) no solon’ny taratasy fanamarinana (attestation) ao anatin’ny antotan-taratasy fangatahana ho mpiadina.
Rehefa afaka amin’ny fitsapam-pahaizana vao mampiasa ny « attestation » sy « relevé des notes » raha ny fanazanan’ny tompon’andraikitra.
Hasina Rasamimanana
